1 Corinthians 4

1Toy izao no tokony handraisan’ny olona antsika, tahaka ny mpanompon’i Kristy ary mpitandrina ireo misterin’Andriamanitra. 2Amin’izany fifandraisana izany, dia fepetra takiana amin’ireo mpitandrina ny maha-mendri-pitokiana azy ireo.

3Fa amiko dia zavatra kely dia kely ny tokony hitsaranareo na hitsaran’olombelona rehetra ahy. Fa na izaho aza tsy mitsara ny tenako. 4Izaho dia tsy mahafantatra izay fiampangana natao tamiko, fa izany dia tsy midika fa tsy manan-tsiny aho. Ny Tompo no mitsara ahy.

5Noho izany, aza manonona fitsarana momban’ny zavatra rehetra mialohan’ny fotoana, mialohan’ny hiavian’ny Tompo. Izy dia hitondra ireo zava-miafin’ny haizina ho amin’ny fahazavana ary hampiseho ny fikasan’ny fo. Avy eo ny tsirairay avy dia handray ny fiderany avy amin’Andriamanitra.

6Ankehitriny, ry rahalahy, nampihatra ireo fitsipika ireo tamiko sy tamin’i Apolosy aho nohon’ny aminareo, mba hafahanareo mianatra avy aminay ny dikan’ny fitenenana hoe: “Aza mandeha mihoatra izay voasoratra.” Izany dia mba tsy hisy iray aminareo hirehareha ny amin’ny fankasitrahana ny anankiray noho ny hafa. 7Fa iza no mahita fahasamihafana eo aminareo sy ireo hafa? Inona no anananareo ka tsy noraisinareo maimaimpoana? Raha nandray izany maimaimpoana ianareo, nahoana ianareo no mirehareha toy ny tsy nanao toy izany?

8Efa anananareo daholo izay rehetra tadiavinareo! Efa lasa mpanankarena ianareo! Ary efa nanomboka nanjaka ianareo—ary izany dia tsy avy taminay! Izaho dia maniry tokoa ny nanjakanareo, mba hafahanay manjaka miaraka aminareo. 9Fa izaho dia mieritreritra fa Andriamanitra dia nametraka antsika ho apostoly miharihary tahaka ny farany amin’ny laharana sy tahaka ny olona voaheloka ho faty. Izahay dia lasa fampisehoana ho an’izao tontolo izao—ho an’ireo anjely, ary ny ho an’ny olombelona.

10Izahay dia adala nohon’ny amin’i Kristy, fa ianareo dia hendry ao amin’i Kristy. Malemy izahay, fa ianareo mahery. Ianareo dia nomem-boninahitra, fa izahay kosa tsy nalaim-baraka. 11Mandrak’ankehitriny izahay dia noana sy mangetaheta, mahantra fitafy, voakapoka mafy, ary tsy manan-kialofana.

12Miasa mafy izahay, miasa amin’ny alalan’ny tananay ihany. Rehefa latsaina izahay, dia miaritra. 13Rehefa henjehina izahay, dia mitso-drano. Rehefa voaendrikendrika izahay, dia miteny amin-katsaram-panahy. Izahay dia niova, ary mbola raisina ho, fakon’izao tontolo izao sy faikan’ny zavatra rehetra.

14Izaho dia tsy nanoratra ireo zavatra ireo mba hahamenatra anareo, fa manitsy anareo toy ny zanaka malalako. 15Fa na dia manana mpiambina iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo, dia tsy manana ray maro be. Fa izaho dia lasa rainareo ao amin’i Kristy Jesosy tamin’ny alalan’ny filazantsara. 16Noho izany dia mamporisika anareo aho mba ho mpaka-tahaka ahy.

17Izany no nandefasako anareo an’i Timoty, zanaka malalako sady mahatoky ao amin’ny Tompo. Izy dia hampatsiahy anareo ireo lalako ao amin’i Kristy, tahaka ny ampianarako azy ireo na aiza na aiza sy ao amin’ny fiangonana rehetra. 18Ankehitriny dia lasa miavona ny sasany aminareo, manao toy ny hoe tsy ho avy any aminareo aho.

19Fa ho avy tsy ho ela any aminareo aho, raha sitraky ny Tompo. Ary tsy hahafantatra ny resak’ireo izay tena miavona fotsiny aho, fa hahita ny herin’izy ireo. 20Satria ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy mifototra amin’ny resaka fa amin’ny hery. Inona no tadiavinareo? Tokony ho avy any aminareo miaraka amin’ny tsorakazo ve aho sa miaraka amin’ny fitiavana feno halemem-panahy?

21

Copyright information for PltULB